Etats-Unis : Isan’ny lalana fanta-daza any Los Angeles ny « Sunset Boulevard »
Mirefy 35 km ny halavan’ny sunst Boulevard iza mampitohy ny renivohitra sy ny Malibu. Mandalo eo amin’ny tanànan’i Hollywood toy i West Hollywood, Beverly Hills ary i Bel Air izy. Tsy lavitra azy ihany koa ilay toerana malaza, Sunset Strip izay eo anelanelan’i Hollywood sy West Hollywood. Ao amin’io toerana io no ahitana trano fisakafoana marobe sy fisotrosotroana ary tranom-barotra isan-karazany toy ny mpivarotra lamaody izay tena hifamotoanan’ny olona tokoa. Ao ihany koa no misy ny « club comedy » maro toa an’ny « The Comedy Store » izay misy an’i Eddie Murphie sy i Jim Carrey. Trano fandraisam-bahiny mihaja ihany kao no hita ao toy ny « Chateau Marmont » izay efa nisy 90 taona izay.
