Comores : Tontosa ny lanonam-panokafana ny tetik’asa hampandrosoana ny sehatra ara-bola
Nilaza ny governora Imani fa ny tsy fahampian’ny fahalalana ara-bola no isany antony lehibe mahatonga ny trosa sy ny fahasahiranana ara-bola sedrain’ireo olom-pirenena maro. Mba hanafoanana izany olana izany dia nikarakara fiofanana fitantanana ara-bola ho an’ny mponina ny BCC (Banque centrale des Comores) mba nanomezana fahalalana sy fahaiza-manao azy ireo manoloana ny fitantanana mahomby ny volany.
Tanjona lehibe tao anatin’io hetsika io ny fahazoana antoka fa manana kaonty any amin’ny banky na tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-bola ao amin’ny firenena ny mponina rehetra hoy ny governoras, Dr Younoussa Imani. Ho fanokafana ny hetsika kosa dia nisy ny lanonana natao tao amin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanàna tao amin’ny nosy Ndzuani, ny 23 may teo.
