SocialTatitra

La Réunion : Tsy manara-penitra ny toeram-pivoahan’ny mpianatra

Olana matetika miverina ao amin’ny sekoly garabola, la Souce, ny lafin’ny toeram-pivoahana. Nanomboka ny volana desambra 2023, no niaina tanatin’ny loto sy ny fofona ratsy ireo mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha vokatry ny tsy fiasan’ny toeram-pivoahana ara-dalàna intsony. Tsentsina ny toeram-pivoahan’ny mpianatra ka mampiparitaka ny rano, manerana ny efitra fiarana sasany ao an-toerana, miampy ny fofona ratsy. Manoloana ny zava-misy, misy amin’ireo mpianatra no tsy mamonjy ny toeram-pivoahana intsony fa manao izany anatin’ny akanjony.

Miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ny ireo mpianatra anefa ity tranga ity. Misy ireo mpianatra no mody miaraka amin’ny aretin-kibo vokatry ny fitazomana ny fahaporetana. Efa nojeren’ny ben’ny tanànan’i Saint-Denis ity olana ity saingy izao miverina izao hatrany.

Laisser un commentaire