Nigéria : Mpianatry ny lisea 73 nalaina an-keriny
Sekoly iray ao amin’ny manodidina an’I Maradun ao amin’ny fanjakan’ny Zamfara no nisy nanafika ny alarobia maraina teo. Mpianatra 73 no nalaina an-keriny tamin’izany raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny polisy ao an-toerana Mohammed Shehu. Jiolahy mitam-piadiana maromaro no tonga nanfika ny sekoly hoy izy.
Efa hatramin’ny fiandohan’ny taona no mifanesy ny fakana an-keriny amin’ireo sekoly ao Nigéria, antony ny fanaovana takalon’aina sy fitakiana vola amin’ny fianakavian’ireo zaza ireo. Efa miara-miasa kosa ny tafika sy ny polisy hoy Mohammed Shehu hanavotana ireo mpianatra ireo.
