SocialTsidika

Nanomboka ny 01 septambra ny fidiran’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana 2021-2022

Niatomboka ny Alarobia voalohan’ny volana Septambra teo ny taom-pianarana 2021-2022 eny anivon’ny sekolim-panjakana.

Nidina ifotony nijery ny fidiran’ny mpianatra ny tale jeneraly misahana ny ara-pedagojia eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ho solon-tenan’ny Minisitra, CEG sy EPP teny Anosibe no nanaovany izany fitsidihana izany. Nandritra ny fandraisam-pitenena no nilazany fa: « ny nampiavaka tamin’ity taom-pianarana ity moa dia ny nandrosoana ny tetiandro fidirana ho amin’ny volana septambra ka hifarana ny volana jona. Eo ihany koa ny fandraisan’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fampidirana ny zaza an-tsekoly ka nampitomboina ho avo roa heny ny caisse école. Misy kosa anefa ireo fandaniana hafa maro izay sahanin’ny sekoly ka hifampidinihan’ny ray aman-dreny sy ny eo anivon’ny FEFFI ny amin’ny fandraisana anjara izay tsy tokony atao sakana amin’ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly ». Nanamafy ihany koa izy ny amin’ny tokony mbola hanajana amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra ara-pahasalamana izay napetrakin’ny Fanjakana nohon’ny valan’aretina mbola mitoetra eto anivon-tsika na dia efa mihena aza ny salan’isan’ireo olona voa.

Ny zaza no ho avin’ny firenana koa nasiany teny ihany koa ny paikady vaovao mikasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana tamin’ny fanehoan-kevitra izay nataony: « efa nisy ny fandraisana ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny ivo-toeram-panofanana ara-pedagojia (CRINFP) hiparitaka manerana ny nosy. Ao ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra FRAM miisa eo amin’ny 15 000 eo ary indrindra ny fandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana miisa 1 075 amin’ny alalan’ny recrutement special. Hisy ny fanombanana na évaluation ho ataon’ny mpampianatra ny mpianatra isaky ny tapitra ny bimestre mba ahitàna ny lesoka sy ny tokony hanatsarana ny fomba fampianarana na « remédiation » ka tokony hitovy avokoa ny fahaizan’ny ankizy rehetra amin’ny fahataperan’ny taom-pianarana » hoy hatrany izy.

« Ilaina tokoa ny manana paikady vaovao hentina hanarenana ny fahaizan’ny mpianatra amin’izao, noho ny fampianarana izay voatery nihato nandritrin’ny fotoana maro izay naterakin’ny valan’aretina Covid-19 ka mety nampidina ny fahaizan’izy ireo. Tsara ihany koa ny fanomezana fampiofanana ireo mpampianatra mba hanhamora ny fampitana ny fahaizana » hoy i Ony, mpampinatra eny amin’ny sekoli-panjakana.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire