Alasora: Fandaharan-dalao baolina kitra faran’ny herinandro
Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du Maire 2023 ao amin’ny kaominina Alasora. Eny amin’ny kianja Ambohimarina indray no hanatanterahana ny lalao amin’ny alahady 06 aogositra izao, araka ny voalaza.
“Manomboka amin’ny 09ora maraina, ny ekjipan’ny fokontany Ambohimarina sy Ambatomalaza no hisantatra ny kianja amin’ny alahady. Manaraka azy ao any fokontany Amboaroy hifandona amin’ny Ankadindratombo ary amin’ny 01ora Ankazobe hifandona amin’ny fokontany Ambohidrazaka” hot ireo mpikarakaza.
“Mahafinaritra foana ny lalao ara-panatanjahantena, indrindra fa ny lalao baolina kitra ho an’ireo mpankafy sy mpilalao izany. Hisaorana hatrany ny tomponandraikitra tsy nanao izany ho ambanin-javatra fa manome sehatra ny tanora” hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.
Marihina moa fa mbola lalao fifanitsanana hatrany no moa no miseho ato anatin’ity tournoi du maire ity.
Manitra R.
