Fifidianana filoham-pirenena 2023: hanomboka ny faha-23 Jolay ny fandraisana ny antota-taratasin’ireo kandida
Namoaka ny andinindinin’ ireo taratasy takiana amin’ny firotsahana ho fidiana ho filoham-pirenena ny avy amin’ ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana. Ireo antota-taratsy ireo dia mifanaraka indrindra amin’ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Araka ny fanambarana hatrany dia manomboka ny faha-23 Jolay ho avy izao hatramin’ny faha-6 Septambra ho avy izao no fandraisana ny taratasy fandraisana ireo kandida ho filoham-pirenena.
“Misokatra ny fandraisana ny taratasin’ireo ho kandida ho fidiana ho filoham-pirenena ho amin’ny fifidianana 2023 eto Madagasikara. Tsara ny manamafy sy mampahafantatra fa ao anaty fanarahan-dalana tanteraka no hanatanterahana izany ka ireo taratasy rehetra takiana amin’ireo kandida dia mifandraika amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika.” Hoy ny avy amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fifidianana
“ Hamafisina hatrany ny fangatahana ny fampanarahan-dalana ny fifidianana izay ho atao eto amin-tsika. Azo lazaina efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka aoka samy hitaky ny fanajana ny lalàna isika rehetra , na ireo tompon’andraikitra mivantana amin’ny fikarakarana izany na ireo kandida ary ihany koa isika olom-pirenena rehetra.” Hoy ny mpahay lalàna
Fifidianana maromaro no ho tanterahina eto Madagasikara ka hanomboka azy ny fifidianana filoham-pirenena izay ho atao ny faran’ity taona 2023 ity. Mbola tsy voafaritra kosa hatreto ny daty hanatanterahana ny fifidianana manaraka dia ny fifidianana solombavambahoaka,ny ben’ny tanana ary ny filoham-pokontany.
Miranto Andriharisoa
