Manjavona tsikelikely ny fitoeram-pako ao an-tanàn-dehibe
Tsy hita tsikelikely ireo fitoeram-pako napetraka ao an-tanàn-dehibe sy ny manodidina azy, manomboka eo Analakely hatramin’iny Antsahabe iny. Ny vy mitsatoka anaty tany manarona ny daba sisa no hita eny an-toerana. Raha tsiahivina dia daba 760 no naparitaka tamin’ny toerana maromaro teto an-drenivohitra ho fanatsarana ny tanàna.
« Tsikaritray fa misy norobana avokoa ireo daba miloko manga sy mavo vaovao ao an-tanàn-dehibe » hoy ny talen’ny SMA, kolonely Jaona Ravoavy Andrianaivo. Nanamafy izy fa « efa ezahina soloina ireo daba nisy nagalatra ireo saingy miverina foana ny fangalarana ».
« Zava-dehibe ny fananana iombonana ary tsy holeferina ny famotehana sy halatra ataon’ireo mpihetraketraka amin’ireo fitaovana ho an’ny daholobe ireo » hoy kosa tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. « Tsy mahay manana zavatra tsara mihitsy ny gasy », hoy i Mihanta, mpivarotra amin’ny magazay iray ao Analakely.
Efa mitady vahaolana manoloana io halatra io ny tompon’andraikitra ary hampi atra ny sazy ihany kosa ny polisy rehefa mahatratra izany mpangalatra izany. Hitohy eny amin’ny fitsarana ny raharaha ho an’izany tratra manao izany. Tsy mbola miray saina amin’ny fampandrosoana ny tanàna ve ny Malagasy ka nanimba ny efa misy ?
Hasina Rasamimanana
