SocialTsidika

Mandripaka ny mponina any Ankararana ny pesta

Tonga any Ankararana, kaominina Miandrandra, Distrika Arivonimamo ny solontenam-panjakana avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka avy amin’ny faritra Itasy sy ny Institut Pasteur taorian’ny fitarainana nataon’ny mponina mikasika ny fiparitahan’ny aretina pesta any an-toerana. Raha tsiahivina, vao andro maromaro izao no nisy trangan’aretina Pesta tany ary haingana be ny fifindrany satria efa enina sahady izao no namoy ny ainy ary 18 ireo naratra kanefa vao tsy nisy herinandro akory aza izany.

« Haingana be ny fisehon’ny aretina ary haingana ihany koa ny fifindrany tamin’ny manodidina ary mamono vetivety ihany koa ny aretinan very hevitra izahay mponina » hoy i Richard, mponina any an-toerana. « Nofoanana avokoa ny tsena, ny fivavahana, ny fianarana sy ireo fivoriana ary ny fitangorongoronana rehetra ato anatin’ny Kaominina Miandrandra mandrapahalasa ity areti-mandoza ity ho fisorohana ny mety ho fiparitahany » hoy ny Ben’ny tanàna any an-toerana. « Mihorohoro sy tafalatsaka ato antin’ny tahotra izahay mponina, ny covid-19 mbola misy ny pesta koa ity tonga, mangataka vahaolana haingana sy mandaitra izahay » hoy i Hery, fianakavian’ny marary. Ain’olona maro no tandindomin-doza amin’izao aretina izao, vao herianndro izay nefa efa 6 ireo namoy.

Mila fongorina tanteraka ny aretina ka miansto ny manam-pahaizana rehetra hanambatra ny fahaizany ho an’ireo mponin’Ankararana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire