Inona no zava-misy mandritra ny fampidirana ambalan-tsazy na fourière ny fiarakodia iray ?
Maro ireo mbola tsy mahalala akory ny momba ny fampidirana ambalan-tsazy na ny fourrière ny fiarakodia. Tsy inona akory izany fa famindrana ny fiara amin’ny toerana voatondron’ny mpitondra fanjakana miaraka amin’ny fandoavana sazy ara-dalàna.
« Telo andro andro farafahakeliny ary mitombo arakaraka ny fahataran’ny fandoavana ny sazy, nefa izany dia tsy mihoatra ny 10 andro » hoy Mamy, mpahay lalàna. Aiza no toerana hamindrana ny fiara avy eo ? « : Na eo amin’ny kaominina na antoky ny tompon’ny fiara raha toa ka eo an-toerana ihany ity farany no mipetraka » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. Manodidina ny 600 ariary isan’andro eo ny vola aloha ho solon’ny ohan-toerana. Mahatratra aman’hetsiny araka ny fiara kos any lamandy aloha izay efa napetraka ara-dalàna.
Tokony tsy hisy intsony noho izany ny kolikoly eny an-dalàna izay tena manambotry ny firenena ny fisiany indrindra eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana.
Nicole Rafalimananjara
