Francophonie avec Elles : Tetik’asa Malagasy miisa 4 voasokajy hahazo fanampiana
Tetik’asa miisa 54 avy amin’ny firenena 24 miteny sy na mampiasa ny teny frantsay no nosafidiana ho fampiroboroboana ny fandagaran’asa « La Francophonie pour Elles ». Ireto tetik’asa izay manome vahana ny vehivavy avokoa izany na manampy ny vehivavy manokana. Lelavola mitentina 3 tapitrisa Euros no azon’ireo tompon’ny tetik’asa hampandehanana izany.
« Ho an’ny faritra Toliara no nanaovan’ny ONG Bel Avenir ny tetik’asan’izy ireo. Mahakasika ny fahadiovan’ny vehivavy sy ny tanora tovovavy izany ary ihany koa ny fampiroboroboaana ny fampiasana ny taty azo sasana rehefa fadim-bolana. Anisan’ny tetik’asa hisitraka ny famatsiam-bola ity tetik’asan’izy ireo ity », hoy ny tompon’andraikitry ny Francophonie eto Madagascar.
« Ahafahana manampy ireo vehivavy rehetra no nanaovana ity programa ity ka voasafidy tamin’izany ihany koa ny an’ny Maisons des enfants Onlus Herimpo izay milazalaza mahakasika ny fahaleovantena ara-ekonomika an’ny vehivavy eny Antohomadinika », hoy hatrany ny fanazavana.
Entina indrindra hanampiana ireo vehivavy te hioitra amin’ny fiainana taorian’ny fandalovan’ny covid-19 iny ity programa ity. Hampiakarina araka izany ny toe-karena, ny sosialy, ny fari-piainan’ireo vehivavy ireo amin’ny alalan’ny tetik’asa maro. Ho an’ny faritra 24 aty Afrika no nanaovana izao programa izao. Ilaina ihany koa ny fanohanan’ny fanjakana izany tetik’asa maro izany mba ho tombontsoan’ny olona maro.
Miora Raharisolo
