« Tsy maintsy solombavambahoaka no lehiben’ny mpanohitra » hoy ny HCC
Vao tsy ela izay no nandinihana ny lalàna miksika ny antoko mpanohitra teny amin’ny Antenimierampirenena. Tsy maintsy solombavambahoaka no lehiben’ny mpanohitra hoy ny tolo-dalàna nomena. Ankehitriny, nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny lalàna mifehy ny mpanohitra.
Ny fanoherana eo anivon’ny parlemanta ihany no tantanin’ny solombavambahoaka amin’ny fomba ofisialy. Nambarany fa ara-dalàna ilay hoe : tsy maintsy solombavambahoaka no filohan’ny mpanohitra. Voafetra ho eo anivon’ny antenimierampirenena ihany anefa ny asan’io solombavambahoaka lehiben’ny mpanohitra io. Naneho ny heviny ihany koa ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ary nanambara fa tokony eo anivon’ny parlemanta mandritra ny fivoriana ara-potoana ihany no hisian’ny ady hevitra eo amin’ny mpanohitra sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa tsy ivelan’izay. Nolavin’ny HCC marindrano kosa ilay hoe : misy ny mpanohitra ivelan’ny parlemanta izay afaka mifidy mpitarika iray na maromaro. Araka ity fanapahan-kevitra ity izany dia voahilika tanteraka tsy ho filohan’ny mpanohitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria tsy solombavambahoaka voafidy izy.
Hanao ahoana ny mety fandraisan’ny filoha teo aloha izao lalàna vaovao izao ? Hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao. Iza amin’ireo solombavambahoaka lany tamin’ny antoko mpanohitra ihany koa no ho filoha ?
Nicole Rafalimananjara
