ActualitésTatitra

Népal : Aiza ho aiza no misy azy ?

Manana ny Repoblika démôkratika Federaly i Népal izay firenena ao avaratra i Chine ary ao atsimony i Inde. Manana toe-tany isan-karazany i Népal satria sady mando no manana tendrombohitra mitomandavana miisa 8 izay isan’ireo tendrombohitra avo maneran-tany. Isaky ny 20 septambra no andro hankalazain’ny mponina any ny fetim-pirenena.Anisan’ny tena mahasarika ny mpizaha tany i Népal noho izy manana kolontsaina maro sy toerana natokana ho an’izany. I Katmandou no anaran’ny renivohitrin’ny firenena izay isan’ny tanàna lehibe indrindra any an-toerana. Ny népalais no teny ofisialy ampiasaina any ary roupie népalaise no anaram-bola misa ao. Misy foko 60 be izao any ary ny Kshatriya no hivondronan’ny olona betsaka indrindra. Mbola tena mitazona ny fomba nentim-paharazana ny mponina ao.

Laisser un commentaire