ActualitésTsidika

Alasora : lehilahy iray tratra namaky fiara sprinter amin’ny alina

Lehilahy iray no tratra teo ampanovana ny asa ratsiny ny alin’ny 13 janoary teo. Namaky fiara sprinter iray nijanona amoron’arabe ity farany, raha ny voalaza.

« tokony ho tamin 11 ora sasany alina ,namaky fiara sprinter iray izay mijanona amoron’arabe ny tovolahy ka rehefa tafiditra tao anatiny ny fiara izy no tratra somantsara ary tsy nahavita na inona intsony » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’Alasora.

« Tena mafana ny resaka tsy fandriam-pahalemana eto Alasora. Na andro na alina dia manao ny ataony avokoa ireo mpanao ratsy. Mila fampiarana sazy enjana izany satria tsy mahafay ny olon-dratsy ny sazy sy lalàna apetraka eto amintsika ka mahatonga io tranga io miverina foana » hoy i Teddy, mponina ao Alasora.

Ao anatin’izany dia manentana hatrany ny mponina ny polisy avy ao Alasora mba hiara-hientana ary hifampilaza raha misy ny trangan-javatra hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany moa ity lehilahy ity. 

Laisser un commentaire