Nasa : Maro ireo toerana tsy hisy mponina intsony amin’ny taona 2050
Noho ny mari-pamantarana « thermique spécifique » sy ny « données satellites » dia afaka namaritra sahady ireo faritra tsy hisy mponina intsony afaka 30 hatramin’ny 50 taona any ny Nasa. Nanamafy ny Giec fa efa hita ny vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro ka ahiana hiakatra 1,5°C ny fihafanan’ny tany ary hiakatra avo efatra heny ny hafanana ao anatin’ny jato taona.Tamin’ny alalan’ny mari-pamantarana ny hafanana (heat index) natambatra tamin’ny hamandoana sy ny hafanan’ny rivotra ary ny « zwet bulb » (température du thermomètre mouillé) ksoa no nahafahan’ny Nasa namaritra ireo toerana ireo. Ireo firenena hanana « wet bulb » 35°C no tsy azo hipetrahana intsony amin’ireo taona ireo, tafiditra ao anatin’izany ny firenen’i Asie du Sud, ny golfe Persique (Iran, Oman, Koweït), ireo firenena manamorona ny ranomasina mena (Égypte, Arabie saoudite, Soudan, Éthiopie, Somalie, Yémen). Ho an’ny taona 2070 kosa dia ahiana ho tafiditra ao anatin’io 35°C io ny faritra atsinanan’i Chine, ny ampahany amin’i Brésil ary firenena ao Etats-Unis maromaro toy i Arkansas, Missouri ary Iowa.
