ActualitésTatitra

Comores : Maherin’ny telo miliara ny vola ampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana ao Ngazidja

Nosoniavin’ny minisitry ny vola tao Comores, Mze Abdou Mohamed Chafiou ny faran’ny herinandro teo ny fanomezan-dalana hanamboarana lalan-tany ao Ngazidja (routes secondaires). Notronin’ny orinasa voakasika sy ireo vondrom-piarahamonina isan-tsokajiny izany ary lelavola maherin’ny telo miliara no tapaka fa hampiasaina amin’izany.

Nanasongadina ny fahavononan’ny governemanta hanamboatra lalana manerana ny firenena ny tale jeneraly ny lalana, Saïd Houssein nandritra izany. Nanamafy ny tenany fa maro ny fanamboarana efa natomboka amin’ny nosy telo mandrafitra an’i Comores ary efa an-dalam-pandrosoana ny tetik’asa amin’ireo toerana hafa.

Laisser un commentaire