Ambohimanambola: Nanolotra fehezam-pitsipika mahakasika ny fikoloam-pahasalamana ny kaominina
Nanolotra sy nandany fehezam-pitsipika kaominaly mahakasika ny fikoloam-pahasalamana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Nasaina avokoa ireo tomponandraikitra ao ana-toerana toa ireo avy amin’ny kaominina, ny mpitandro filaminana, ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana, lehiben’ny fokontany ary ny sekoly, raha ny voalaza.
“Mazàna rehefa misy fihetsika voasokajy tsy ara-drariny sy ho fandikan-dalàna mitranga amin’ny fiarahamonina mahakasika ny fidioavana sy fanadiovana ary filaminam-bahoaka dia manano sarotra ny fampiarana ireo dina sy fitsipika mifehy araky ny fifanarahana teo amin’ny samy mpiara-monina. Matetika miseho izany tranga izany noho ny tsy fisiana fehezam-pitsipika iraisana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Noho izay indrindra no nanolorana ity fehezam-pitsipika kaominaly ity ho paikady sy fitaovana entina mifampifehy. Miisa 130 eo ireo fitsipika natolotra ary nolanian’ny mpanatrika miisa 50/50 » hoy hatrany ny fanazavana.
Sombiny amin’izany fitsipika napetraka izany ny mahakasika ny fahadiovana, ny fahadiovan’ny teoram-ponenana, ny fikorianan’ny ranon’orana sy ny rano maloto, ny mahakasika ny fako, ny fandrindrana ny filaminam-bahoaka sy ny maro hafa. Tanjona amin’izany dia ny fametrahana lamina sy fiaraha-monina tsara rindra.
Manitra R.
