Marovato : Manan-karena toerana miavaka manintona mpizaha tany eto Madagasikara
Anisan’ny iray amin’ireo kaominina 58 mandrafitra ny faritra Androy, ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe, ny tanànan’i Marovato, sahabo ho 38 km mianatsimo miala ny tampontananan’i Tsihombe no misy azy. Mivelona amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny mponina ao an-toerana. Efa tsy lavitry ny renivohitry ny kaominina no misy ny ranomasina.
Manana ilay faritra arovana na antsoina hoe « réserve du cap Sainte-Marie » izy, izay tafiditra ao anati’ny fari-piadidian’ity kaominina ity, tendrony faran’ny atsimon’ny Madagasikara. Ahitana ny fitambaran’ny ranomasim-be indianina sy ny lakandrano mozambika. Ahitana karazam-biby, karazan-kazo sy karazan-java-maniry tokana an-tany ary vokatra an-dranomasina isan-karazany ka mahasarika ireo mpizahatany ankoatra an’i Faux-cap sy Lavanono.
Toerana anisan’ny tsara tsidihana raha i Marovato, indrindra ho an’ireo mpankafy natiora sy ranomasina satria tsy ambakan’ireo toerana hafa ary manana ny mampiavaka azy manokana raha amin’ny fizahan-tany.
Manitra Ramanantsoa
