Fampianarana : Mitohy hatrany fandraisana ireo mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana
Mbola mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana ny talata 30 aogositra 2022 lasa teo, amin’ny alalan’ny hetsika « Ampahibemaso » andiany faha-9, eny anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana mbola tsy nahatontosa izany. Isan’ny voakasik’izany ny tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Betioky, Befotaka Atsimo ary Manakara. Tsiahivina moa fa efa nisy ihany koa ny fandraisana ireo mpampianatra fram ho mpiasam-panjakana tany amin’ireo faritra hafa, tsidriana manokana amin’izany ny Kaominina Avaradrano Antananarivo, kaominina izay nandraisana ho mpiasam-panjakana farany taloh’izao. Natao izany ho fanantsarana hatrany ny lafim-pampianarana hoy ireo tompon’andraikitra.
« Mahafinaritra hatrany ny mahita fanatsarana amin’ny fampianarana tahaka izao, ny fianarana mantsy no fototra iaingan’ny fampandrosoana eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena” hoy Nirina mpianatra mpandala mahakasika ny fampandrosoana. “Tsy hay ny tsy isaotra ireo rehetra nikaraka izao hetsika izao indrindra ny fitondram-panjakana sy ireo tompon’andraikitra rehetra, heniky ny hafaliana loatra ny fo afaka mampita hatrany ny fampianarana amin’ireo taranaka maro hentina hampandrosoana ny firenena, araka ny voalazan’ny ntaolo tokoa fa ny fianarana no lova tsara indrindra » hoy Tiana anisan’ireo mpampianatra nisitraka izany.
Mbola hitohy hatramin’ity herinandro ity moa ny fanatanterahana io hetsika « Ampahibemaso » andiany faha-9 io any amin’ireo Cisco, ho an’ireo izay mbola tsy nahatanteraka izany.
Famenontsoa Rajerison
