ActualitésTsidika

Faritra Atsimo : Olona maherin’ny 1,6 tapitr’isa hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo

Anisan’ny fijaliana hatrehan’ny mponina any atsimo rehefa manomboka ny vanim-potoan’ny main-tany ny tsy fisian’ny rano, manaraka izany ny kere izay efa manambana any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Olona maherin’ny 1,6 tapitsisa no hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo, heverina ho tafiakatra 2 tapitr’isa io salan’isa io amin’ny taona 2023, raha ny fanambarana nataon’ny Fandaharan’asa maneran-tany ho an’ny sakafo na ny PAM, misy hatrany ihany koa ny fanampiana omen’ny firenena amerikany, amin’ny alalan’ny USAID entina hiadiana amin’izany.

« Tsy mahavaha ny olana maharitra ao atsimo ny fanomezana fanampiana ho an’ny olona tratran’ny kere any atsimo, ny fanorenana fonenana hitoeran’izy ireo mahavelona sy afaka hamokarana, mifanaraka amin’ny toe-tany sy toetr’andro no vahaolana tokony haroso manoloana ny resaka kere any atsimo ity » hoy ny manampahaizana mpandinika momba ny fiaraha-monina iray.

Olana efa mianjady isan-taona ny miseho ao atsimo raha resaka tsy fanjarian-tsakafo sy ady amin’ny kere. Tsapa sy hita fa manao ezaka ho amin’izany ireo ambaratonga-pahefana isan-tokony. Ny fametrahana vahaolana maharitra sy afaka mitondra asa entina hampandrosoana ny isam-batan’olona mankany amin’ny faritra anefa no tena hetahetan’ireo mponina manoloana ny zava-misy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire