ActualitésTsidika

Literatiora: Hetsika maro no hankalazana ny jobily faha-100 taona nahaterahan’I Rado

Feno zato taona amin’ity taona 2023 ity ny nahaterahan’I Geroges Andriamanantena na I Rado. MPanoratra nanana ny lazany teto Madagasikara. Nalaza tamin’ireo asa soratra izay nosoratany ny “dinitra”, “zo”, “sedra” sy ny maro hafa. Nampiasaina ho amin’ny fampianarana teny amin’ny amabaratonga faharoa ny asa soratra izay nosoratany. Araka izany dia olona nanana ny maha izy azy teto Madagasikara ny tenany ka izany indrindra no antony hanokananan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fotoana ho azy amin’izao faha-100 taonany izao.

“Ho maro ireo hetsika hankalazana ity jobily faha-100 taonan’I Rado ity. Hanombohana izany ity boky « hiram-bavaka », izay mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Rado sady namoronan’izy tenany feony ka tonga hira ity. Ho tsangam-bato ny fankalazana ity faha-100 taonany ity araka izany”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

“Tena olo-manga I Rado ka rariny raha omena sehatra lehibe toy izao. Ilain’ny mpianatra ihany koa ireo hetsika maro be ireo ka hisaorana ny Ministera ny fisian’izany”, hoy ity Talen-tsekoly iray.

Mpandala ny teny Malagasy I Rado, tia tanindrazana ihany koa. Anisan’ny tanjon’ny hetsika ny hanetsika ny hambom-pon’ny zaza Malagasy hitodika amin’izany. Araka izany dia hisy ny fampirantiana lehibe manokana ho azy ao amin’ny Trano Sary eny Ambohidahy. Azon’ny rehetra tsidihina. Ankoatra izany nefa dia hisy hetsika hafa ihany koa ho fankalazana ity jobily ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire