ActualitésTatitra

France : Vehivavy iray no nahita fatin-dehilahy mbola nirehitra tao anaty ala

Vehivavy iray nitondra ny alikany nandendeha tao anaty ala tao Thise, Doubs, no nahita fatin-dehilahy mbola nirehitra ny herinandro lasa teo. Niantso ny mpamonjy voina avy hatrany io vehivavy io. Namono ny afo farany mbola nirehitra izy ireo raha efa namoy ny ainy ilay lehilahy.

May ny ankahamarian’ny vatan’ilay lehilahy. Na dia tafiditra ao anatin’ny petra-kevitr’ireo manam-pahefana ihany aza famonoan-tena dia vono olona no tena ahiahiana nahazo io lehilahy io. Mbola eo ampanatanterahana ny fizahana kosa ireo tompon’andraikitra amin’ny famantarana ny mombamomba ilay lehilahy sy izay nitarika ny fahafatesany.

Laisser un commentaire