Suriname : Firenena kanto nefa vitsy mpahafantatra
Firenena kely any amin’ny sisintany avaratra atsinanan’i Amérique du Sud i Suriname. Zana-tanin’i Pays-Bas izy, ary tena manan-karena kolontsaina. Kolontsain’i Inde kokoa no hita ao Suriname, saingy mifangaro amin’ny kolontsaina maro hafa toy ny an’i Royaume-Uni, Pays-Bas ary Indonésie izany.
Manana faritra midadasika rakotra ala tropikaly maro i Suriname. Harena goavan’ny firenena ny valan-javahoahariny na tsy ampy foto-drafitrasa aza izany. Anisan’ny mampalaza azy noho ireo kazam-borona maro ao aminy izao ny valan-javaboaharin’i Raleighvallen sy Brownsberg. Manana biby miavaka toy ny « Ibis escarlata » sy ny « Espatula rosada » ihany koa ny firenena.
