SocialTsidika

Antsofinondry : Misokatra ny fiofanana arak’asa andiany fahasivy

Efa azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny CFPF Antsofinondry ao Sabotsy Namehana ho an’ny fiofanana arak’asa. Miara-miasa akaiky amin’ny kaominina ity ivon-toeram-piofanana iray ity amin’ny fampananan’asa ireo tanora ao aminy.

« Maro ny fiofanana hita ato amin’ny CFPF Antsofinondry toy ny fandrahoana sy ny zaitra ary ny tontolon’ny teknolojia sy ny maro hafa. Tongava misoratra anarana dieny izao. Hanomboka ny 05 septambra 2022 izao ny fiidrana manaraka » hoy ny tompon’andraikitra. « Efa betsaka ny tanora niofana sy tafavoaka tato amin’ity ivon-toerana ity no miasa tena. Ny hanagana orinasa ho an’ny tena no tanjona amin’ny fiofanana. Tonga dia fampiharana avy hatrany mantsy no atao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.

Marihina fa misy fetrany ihany ny isan’ny mpiofana horaisina amin’izany. Hanampy betsaka ireo tanora arak’asa ny fisian’ny fiofanana tahaka izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire