ActualitésTatitra

Ukraine : Hiverina amin’ny volana aogositra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra

Hiverina hisokatra ny 23 aogositra izao ny fiadiana ny tompondakan’ny baolina kitran’i Ukraine hoy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ao an-toerana, Vadym Gutzeit.

Raha tsiahivina dia ny 26 aprily teo no tapak’ireo klioba tao an-toerana ny fanatsaharana ny taom-pilalaovana teo aloha izay efa niato nanomboka ny volana febroary noho ny ady amin’i Russie. Tsy nisy ny tompondaka notendrena tamin’izany, saingy nanana isa roa nihoatra ny Dynamo Kiev ny mpitarikan’ny lalao Shakhtar Donetsk talohan’ny nanatsaharana izany.

Nanamafy kosa ny minisitra fa ho atao ao Ukraine ihany ny lalao, saingy tsy hisy mpijery ary atao anatin’ny fanajana tanteraka ny fitsipi-piarovana.

Laisser un commentaire