La Réunion : Noravahan’ny mpianatra « peluche » tao amin’ny lycée Vue Belle ireo seza ho fanentanana amin’ny fanodinana
Manoloana ny tetik’asa « chef d’œuvre » ny mpianatry ny kilasy famaranana mianatra lamaody (Métiers de la Mode) ao amin’ny lisea Vue Belle ao Saint-Paul dia nanamboatra seza noravahana « peluche » efa tonta ireo mpianatra. Entina hanentanana amin’ny fanodinana izany raha ny fanazavana.
Marihana fa ny sekoly Vue Belle dia manofana ireo mpianatra ho lasa mantihanina eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Manoloana izany dia mamokatra vokatra avy na am-bondrona izy ireo amin’ny faran’ny taom-pianarany hanehoany ny fahaiza-manaony sy ny talentany.
Natolotr’ireo mpianatra ireo ho an’ny garabola tao Saline-les-Hauts kosa ireo seza hafakely ireo raha ny fanazavan’ny mpampianatra manjaitra, Nathalie Baret.
