Ankadikely Ilafy : Manana mpiadina BEPC misia 1712
Nilamina, tamin’ny ankapobeny, ny fanadinam-panjakana BEPC 2022 nandritra iny andro voalohany iny, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Zap telo no misy ao amin’ny kaominina.
« Miisa 1712 ireo mpiadina manao ny fanadinana BEPC. Miisa 18 kosa no tsy tonga manerana ireo foibem-panadinana efatra tamin’izao andro voalohany izao » hoy ny tompon’andraikitra. « Mirary soa hatrany ireo mpiadina izahay mba hahatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany. Manohana hatrany ny fanabeazana ny kaominina” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
Ny taranja « Malagasy » sy « SVT » no nanadinana tamin’iny andro voalohany iny. Tsy dia nisy olana loatra ny fanatanterahana izany.
Nicole Rafalimananjara
