Talata Volonondry : Tsy nanadino ireo mpiadina BEPC ny kaominina
Nankahery sy nizara tohana ara-tsakafo ho an’ireo mpiadina ny fanadinana BEPC tao aminy ny kaominina Talata Volonondry. Marihina fa misy mpiadina 306 izay mitsinjara amin’ny efitrano 12 ao amin’ity kaominina iray eto Avaradrano ity.
« Hita tsara ny fahavononan’ny mpianatra. Tsy nisy loatra ny olana tamin’izao fanombohana izao » hoy ny tompon’andraikitra. « Mirary soa anareo hanala ny fanadinana BEPC. Ianareo tokoa no hitondra lavitra ity kaominintsika ity rahatrizay. Tsara foana ny mianatra mba hahalasa lavitra ho reharehan’ny fianakaviana » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona.
Haharitra efatra andro ity fanadinana ity manerana ny nosy. Hirariana mba hizotra tsara ao anatin’ny filaminana.
Nicole Rafalimananjara
