Tsidika

Fanambadiana aloha loatra: Zatovovay Malagasy 2 amin’ny  5 no miditra anatiny eto Madagasikara

Araka ny antotan’isa  avy amin’ny fanisana an-kapoben’ny mponina eto amin’izao tontolo izao dia  452022 isa amin’ny zatovovavy 12 hatramin’ny 19 taaona no manambady ka ny 21010 amin’ireo dia eo anelanelan’ny 12 sy 14 taona. Anisany voakasik’io antotan’isa io isika eto Madagasikara satria  ny 46 isan-jaton’ny tovovavy Malagasy dia  miditra ao amin’ny totolon’ny fanambadiana alohan’ny faha 18 taonany avokoa.

Maro ny fiantraikan’ny fanambadiana aloha loatra eo amin’ny zatovovay na ara-batana izany na ara-moraly.“ Manaisotra ny fahazazan’ny ankizy iray ny fanambadiana aloha loatra. Fanampin’izay dia mandrava ireo nofinofiny sy ny fanantenany ny  fidiranany amin’ny fanambadiana.  Ankoatra izay dia mampitarazoka ny ady amin’ny fahatrana sy ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fisondrotana ara-toekarena sy ny   fitoviana ihany koa ny fampanambadiana aloha loatra ny zatovovavy. ” hoy ny avy amin’ny UNICEF.

“ Tontolo hafa lavitry ny fahazazana ny tontolon’ny fanambadiana ary tsy natokana ho an’olona sokajiana hoe zaza. Raha ho antsika eto Madagasikara dia ny tanora 18 taona  mihoatra no afaka miroso ara-dalana amin’izany fanambadiana izany. Raha ny zavatra hita eny amin’ny fiaraha-monina anefa dia maro no tsy mahandry io taona io akory ka lasa miroso mialoha. Ny tsy fantatr’isika ray aman-dreny sy tanora anefa dia miteraka fahapotehana eo amin’ny maha olona izany fandinganana antanatohatra izany. Ilaina ny miaina ny fahazazana araka ny fe-potoana ara-boajanahary mamaritra azy. Maro ny voka-dratsin’izany toy ny fahasimbana ara-moraly sy ny tsy fatomombanana ara-pahasalamana” hoy ny Mpanabe .

Raha ny antotanisa ihany dia tafiditra ao anatin’ny firenena 20 maneran-tany manana salan’isa ambony indrindra amin’ny fanambadiana aloha loatra i Madagasikara. Tranga anisany manaporofo ny fahantran’ny Malagasy izao antontan’isa mivoaka izao  ary iaraha-malala fa maro ny  endrika isehoan’izany fanambadiana sy fampanambadiana aloha loatra izany.Tsara ho fantatra ihany koa fa anisany fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy ny fampanambadiana azy aloha loatra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire