Alasora: Fahavakisan’ireo fantsona mitondra ny rano no mahatonga ny tsy fisian’ny rano ao an-toerana
Mitaraina ireo mponina amin’ny fokontany maro ao amin’ny kaominina Alasora, noho ny tsy fisian’ny rano. Raha tsiahivina, tapaka efa telo andro mahery teo ny rano tao an-toerana, ka tonga nitondra vahaolana vonjimaika tamin’ny famatsiana rano, tamin’ny alalan’ny citerne ny orinasa Jirama, ny alatsinaint teo. Fahavakisan’ireo fantsona mitondra rano ao an-toerana no mahatapaka ny rano, araka ny voalaza.
“Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny orinasa jirama mba hitondra fanamboarana haingana ireo fantsona mitondra rano ety an-toerana. Tena mijaly ny mponina ary sahirana amin’ny fitadiavana rano” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Raha ny fitadiavana vahaolana sy fitsinjovana ny vahaoaka dia tena mendrika ary hisaorana ny kaominina satria mahatsapa ny fahoriana hiainan’ny vahoaka izy ireo ary mandray andraikitra avy hatrany manoloana ny olana misy. Hamafisina kosa anefa ny antso atao amin’ny jirama mba hitondra fanamboarana malaky ireo fantsona satria manam-petra ihany ny vahaolana vonjimaika napetrak’izy ireo” hoy i Olga, mponina ao Alasora.
Fokontany telo tao an-toerana moa no tena niharan’izany tsy fisian’ny rano izany, dia ny fokontany Miadana, Alasora ary Ambohitromby. Ny fahavakisan’ny fantsona mitondra rano ao Malama kosa no mahatapaka ny rano, izao hanaovana antso amin’ny Jirama izao.
Manitra R.
