SocialTsidika

Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fanabeazana ao Toamasina ny Orinasa Ambatovy

Anisan’ireo Orinasa goavana misehatra amin’ny resaka fitrandrahana Nikel sy Cobalt any amin’ny morontsiraka Atsinanan’i Madagasikara ny Orinasa Ambatovy. Tsy mijanona amin’ny resaka fitrandrahana ihany anefa izy ireo fa manao ny asa sosialy izay hentina anampiana ireo olona any Toamasina sy hampandrosoana iny faritra iny.

Ny fianarana no antoky ny ho avy mamiratra, ary zon’ny zaza rehetra ihany koa ny mianatra. « Ho fampiroboroboana sy ho fanajana izany zo fototrin’ny ankizy izany no nanosika ny Orinasa Ambatovy hanome vatsim-pianarana ho an’ireo zaza vavy avy amin’ny ankohonana marefo sy sahirana ara-pivelomana ao Toamasina sy Brickaville, ary hanomboka amin’ny fidiran’ny mpianatra ho avy eo izany fanampiana izany » raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa iray ity.

Hiparitaka eny anivon’ny sekoly miisa 28 mandrafitra ny Faritra Antsinana ity tetikasa fanomezana vatsim-pianarana ity, na eo aza izany dia misy ny fepetra takiana sy ho jerena akaiky mba ahafahana misitraka izany. « Ny sivana voalohany apetraka amin’izany ny fahazoana salan’isa ambony any ampianarana, ary zaza mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana ao Toamasina i sy Toamasina II na ihany koa Brickaville » raha ny filazan’ny tompon’andraikitra hatrany. « Isaorana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Ambatovy amin’izao fanampiana ny ray aman-dreny izao, misy tokoa ireo zaza avy aty Toamasina no tena mahay ary mamiratra any ampianarana anefa noho ny tsy fahampiana’ny enti-manana androtsahana azy ireo any an-tsekoly dia voatery manatsahatra izany, Manampy betsaka ny vahoaka arak’izay ity tetikasa vaovao ataon’ny orinasa Ambatovy ity » hoy i Nandrasana, ray aman-drenin’ny mpianatra any an-toerana.

Anisan’ireo tanjona amin’ity hetsika ara-tsosialy ity tokoa mantsy ny fanomezana fampianarana tsara kalitao ho an’ireo zaza vavy avy amin’ny ankohonana sahirana, natao ihany koa izay mba ho fanamaivanana sy fitsinjovana ireo ankohonana marefo ara-pivelomana. « Ny saram-pisoratana anarana, saram-pianarana ary ireo fandaniana rehetra mikasika ny fianarana no tafiditra ao anatin’izany fanampiana izany, ary azo avaozina isan-taona mandrapa hazon’ilay zaza ny mari-pahaizana BEPC izany raha toa ka mahafeno ny fepetra takiana hatrany ilay ankizy » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.

Maro anefa ireo milaza fa tokony hitarina any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ny hetsika ara-tsosialy izay ataon’ny orinasa iray, noho izy ireo mba te hisitraka fanampiana ihany koa satria ny eo anivon’ny fitondram-panjakana efa manao fitondrana mitanila sy tsy mihaino ny fitarainana izay mianjady amin’izy ireo.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire