France : Namono baolina roa i Kylian Mbappé
Ny PSG sy ny Reims no nifaninana ny alahady teo tao amin’ny kianjan’ny Auguste-Delaune. Lasan’ny PSG tamin’ny isa 2-0 ny fandresena, izay baolina nodakan’i Mbappé avokoa. Hipoka ny kianja raha ny tatitry ny Francetvinfo.fr. noho ny fanatrehana ny lalaon’i Lionel Messi voalohany ao amin’ny klioba izay nisolo an’i Neymar teo amin’ny minitra faha 60. Ny 12 septambra kosa ny lalao manaraky ny PSG izay hifanandrehany amin’ny Clermont ao Parc des Princes. Miandry ny fiarahan’i Messi-Neymar-Mbappé milalao ireo mpankafy.
