Talata Volonondry : Manomana lalao hoan’ny zana-tany ny kaominina
Mikarakara lalao baolina kitra ho an’ireo zana-tany ao Talata Volonondry ny kaominina izay ho atao eny amin’ny Kianja Mahavariana Mamoriarivo Talata Volonondry no hanaovana izany. Tanjona ny mba hitaizana ireo tanora ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra ary ihany koa hifantenana ireo mendrika handray hisolo tena ny kaominina amin’ny lalao hifaninanan’ny isaky ny kaominina.
« Manentana ny tanora rehetra eto amin’ny kaominina Talata volonondry mba handray anjara amin’ny lalao baolina kitra izay karakarainay ary hanandratra avo ny kaominina misy antsika » hoy Rakotondrazaka Mbinintsoa Faniry, isan’ny mpikarakara. « Efa betsaka ny tanora liana amin’ny baolina kitra amin’izao ka tsara raha izany taranja izany no hisitomana azy ireo ho any amin’ny fampandrosoana ny kaominina » hoy i Larissa, mponina any Talata Volonondry.
« Mila fanohanana avy amin’ny fanjakana ny tanora indrindra izahay mpilalao baolina izay hitondra avo sy voninahitra ny tanànanay sy ny firenenay » hoy i Zo, mpilalao baolina kitra. Marihina fa ny 10 septambra izao no hifarana ny fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara amin’ny lalao raha ny 21 septambra ilay lalao hifaninan’ny samy kaominina. Mivoaka amin’ny alalan’ny tanora tokoa ve ny fandrosoana ?
Nicole Rafalimananjara
