SocialTatitra

Jamaïque : Nodimandry ny mpamokatra an’i Bob Marley Lee « Scratch » Perry

Nanao fanambarana ny praiministr’i Jamaïque Andrew Holness ny 29 aogositra teo fa namoy ny aina i Lee ’Scratch’ Perry. 85 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao raha ny fanazavana ary tao amin’ny hopitalin’ny Noel Holmes no niala ny ainy.

Mpamokatra an’i Bob Marley no ahafantaran’ny maro azy, antsoina hoe “Sorcier du reggae” na “Salvador Dali du dub” ihany koa. “Tsy nisy izany Bob Marley izany raha tsy teo izy” hoy Francis Dordor. Rainford Hugh Perry kosa no tena anarany ary teraka ny taona 1936 tao Kendal ao Jamaïque izy.

Laisser un commentaire