SportTatitra

Grande-Bretagne : Fandresena ho an’i Fabio Quartararo

Tsy nanana fahasarotana mihitsy i Fabio Quartararo (Yamaha) raha nibata fandresena tamin’ny MotoGP tao Silverstone. Nanaraka azy avvy alavitra i Alex Rins (Suzuki) sy i Aleix Espargaro (Aprilia). Ity no « podium » voalohany ho an’i Aprilia amin’ny MotoGP. Mampitombo hatrany ny elanelana misy eo aminy sy ny mpifaninana aminy amin’ny fiadiana ho tompondaka i Fabio Quartararo (isa 206). I Joan Mir (Suzuki) mantsy izao no faharoa (isa 141) ary i Johan Zarco (Ducati) no fahatelo (isa 137).

Laisser un commentaire