Belgique : « Podium » voalohany ho an’i Georges Russell
Hafahafa toy ny vazaha misalaka ny faran’ny herinandro teo tao Spa-Francorchamps, dingana faha-12 amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany amin’ny Formule 1. I Max Verstappen (Red Bull) no nahavitra ny fotoana tsara indrindra tamin’ny « qualifications » (1’59ˮ765). Faharoa kosa i Georges Russell (Williams, +0ˮ321) ary fahatelo i Lewis Hamilton (Mercedes, +0ˮ334). Tsy nety nitsahatra ny orana ny alahady ka fihodinana roa monja taorian’ny « safety car » no natao. Tsy nisy nahazo nisongona tamin’izany ka tsy niova ny laharan’ireto telo voalohany.
Noho ny tsy nahavitan’ny mpifaninana fihodinana 33 (75% amin’ny halaviran’ny lalao) dia ny antsasaky ny isa ihany no nomena ny mpifanandrina. Noho izany dia mbola i Lewis Hamilton hatrany no mitarika eo amin’ny fiadiana ho tompondaka (isa 202,5). Manaraka azy i Max Verstappen (isa 199,5) sy i Lando Norris (McLaren, isa 113).
Ity izany no « podium » voalohany ho an’i Georges Russell, izay nanakona tanteraka ny fandresen’i Max Verstappen.
