Maurice : Nandroaka medaly volamena maro ny solontenan’ny nosy nandritra ny IWAS World Games
Lalao iraisam-pirenena natao hoan’ireo manana kilema ara-batana ny International Wheelchair and Amputee Sports World Games. Notontosaina ny 23 hatramin’ny 29 novambra teo tao Vila Real de Santo Antonio, tao Portugal izany.
Nandritra ny andro voalohan’ny fifaninana dia nahazo medaly volamena 5 ny solotenan’ny nosy Maurice ary mbola niampy 4 izany taty aoriana. Isan’ireo nandrombaka izany i Roberto Michel izay nahavita ny fe-potoana tsara indrindra tamin’ny « 200m fauteuil T34/51/53/ » sokajy lehilahy (29s12). I Bandy Perrine kosa no naka ny medaly volamena faharoa.
Ankoatran’ny medaly volamena dia nitondra medaly volafotsy maro ihany koa ny ekipa tamin’ny alalan’i Cédric Ravet, Anaïs Angeline ary Jean Pascal Laperotine.
