ActualitésTsidika

Ankatso : Mitaky ny hiverenan’ny fampianara ireo mpianatra

Nidina an-dalambe nanatanteraka fitokonana indray ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo Ankatso ny talata lasa teo. Mitaky ny hiverenan’ny fampiarana ireo mpianatra, raha toa ka mitaky ny handoavan’ny fanjakana ny karamany kosa ireo mpiasa mpandraharaha eny amin’ny onivesite.

Tsihahivina fa ny alatsinainy 18 oktobra lasa teo no nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy. Iray andro monja taorian’izay no nitokona ireo mpianatra eny Ankatso. Anton’izany ny mbola tsy fiverenan’ny fampianarana amin’ny laoniny vokatry ny fitokonan’ireo mpandraharaha. Marihina ihany koa fa tsy nisy ny vahaolna nomen’ireo Minisitera mpiahy manoloana izao olana maro sosona izao nandritra ny fandraisam-pitenenany ny alatsinainy lasa teo.

Vao tsy ela akory izay no nanampy ireo mpampiantra mahakasika ny fitakiany ireo mpianatra avy ao amin’ny ENS Ampefiloha. « Mitaky ny hiverenan’ny fampianarana izahay, sady nanamafy ni fitakiana ireo vatsim-pianarana mbola tsy naloan’ny fanjakana » hoy Andriamanampy Rota, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tsy ho tsapan’ireo mpitondra fanjakana mihitsy ny fahoriana lalovanay manoloa izao fijanonan’ny fampianarana lavareny izao noho izy ireo tsy manana zanaka mandrato fianarana ety. Anisan’ny mahatonga fahatezerana amin’ny maro ihany koa ny valy boraingina izay nataon’ny Praiminisitra manoloana izao hetsika izao » hoy i Andrianina, mpianatra lalàna, taona fahatelo.

« Tsy afaka ny handray indray ny asanay izahay raha to aka mbola minia manetsi-tadiny ireo tompon’andraikitra ambony. Mihamafy isan’andro ny fitakiana mandrapahita izay fandravonana » hoy i Pr Faustin, mpampianatra mpikaroka. « Tsy misy fahatsapan-tena ho tompon’andraikitra mihitsy ve Minisitera isan-tsokajiny manoloana izao fifandirana lava izao ? Ho potehina mankaiza ireo tanora sy ny fampianara izay angady amin’ny fahantrana eto Madagasikara ? » hoy i Ramakavelo, mpandinika ny fianam-pirenena

 Tsy laharam-pahamehana amin’ny fanjakana intsony ny fampianarana ireo tanora. Izay no azo tsoahina manoloana izao fitokonana esty sy ero izao. Saika ny oniversite manerana ny Nosy no ahitana fitokonana nadritra ny iray volana monja, izay fitakiana mitovy ihany ny anton’ny fihetsiktsehana. Sarotra anefa ny hisian’ny fampandrosoana raha toa ka mihen-danja mandrakariva ny fampianarana. Velirano miisa roa no voahitsakitsaka manoloana izao tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra izao. Amin’ny alalan’ny fitokonana mandrakariva no hitakian’ireo mpampianatra ny karamany hatramin’izay nisian’ny oniversite teto Madagasaikara. Tsy sahaza ny handray ny valin-kasasarany amin’ny fomba mendrika ve izy ireo ? Sa efa izay mihitsy ny fomba rehefa eny amin’ny anjerimanontolo ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire