Fizahantany : Mitohy hatrany ny ezaka fanarenana sy ireo paik’ady entina misakana ny fiparitahan’ny valan’aretina
Nanatanteraka fivoriana ny teo amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy fizahantany ary ireo mpisehatra ny sidina an’abakabaka omaly talata 19 oktobra. Tanjona amin’izany ny hanamafisana hatrany ireo fitsipika sy fepetra manoloana ny fisokafan’ny sisin-tany.
Tsihahivina fa efa nisy sahady ny fiara-manidina avy any Frantsa niditra teto Madagasikara ny alatsinainy lasa teo. Niteraka resa-be sy fanahiana ho an’ny Malagasy anefa izany, saingy nivaoka ara-potoana ny fampahafantara mahakasika ireo sidina. Fantatra noho izany fa fisantarana sy fiomanana sahady ny fisokafan’ny sisin-tany raha ny voalazan’ireo tompon’andraikitra.
« Variana loatra amin’ny aretina covid-19 ireo tompon’andraikitra. Marihina fa maro ireo aretina mety hiparitaka eto madagasikara manoloana ny fidiran’ireo mpizaha tany vahiny, tahaka ny vih-sida, tafiditra ao anaty lahadiniky ny fivorian’izy ireo ve izany ? » hoy i Irinah, mpianatra mikasika ny fizahantany. « Tsy voatery ho vita vaksiny fiarovana ny aretina ireo mpizaha tany miditra eto madagasikara, etsy andaniny anefa terena ary tsy maintsy mahavita izany ireo mpisehatrin’ny fizahan-tany Malagasy. Azo antoka ve noho izany fa tsy hitondra valan’aretina eto aminitsika ireo vahiny ? » hoy i Mandresy, mpisera dia.
« Tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpitsidika, ary tsy maintsy manao fihibohana ihany koa mandra-piandry ny valin’ny fitiliana. Manentana ihany ko izahay ho an’ireo mbola tsy nahavita ny vaksiny fiarovana hanatanteraka izany eny amin’ny hopitali-mpanjakana sy ireo tobim-pahasalamana miandraikitra izany » hoy i Dr Dynah. « Tsy azo atao atsirambina ny fanajana ireo fepetra, indrindra ny lafiny fahasalamana. Mirona aty amin’ny mpisehatra mahakasika ny fizahan-tany ivelany ny mason’ny vahoaka Malagasy manontolo. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny fiparitahan’ny valan’aretina izahay » hoy i Lalaina, tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny fiteterana sy ny fizahan-tany.
Sehatra iray nahitana fitotonganana lehibe indrindra teo amin’ny lafiny ekonomika ny sehatrin’ny fizahantany nadritra ny fandalovan’ny vala’aretina covid-19 teto aminintsika. Nikatso tanteraka ny seham-pihariana vokatr’ireo fepetra noraisin’ny fanjakana manoloana ny hamehana ara-pahasalamana ka nampitsaharana tanteraka ny sidina anatiny sy ny sidina mampifandray an’i madagasikara amin’ny firenen-kafa. Niteraka voka-dratsiny maro izany fanapahan-kevitra izany, indrindra teo amin’ny toe-karen’i madagasikara, eo ihany ko ireo fampandrosoana maro voatohintohina. Tompon’andraikitra amin’ny fikolokoloina ny fahasalamany anefa ny tsirairay, tsy iandrasana fepetra avy amin’ireo lehibe mandrakariva izany.
Haingotiana Andriamihaja
