ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nisy ny lanonana fanokanana ho tobi-pahasalamana ny CHRD Anosy Avaratra

Notontosaina ny zoma faran’ny herinandro teo ny lanonana fanokanana ny hopitaly (CHRD) ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nandritra izany ihany koa no nanomezana mari-pankasitrahana sy mari-pamantarana ireo sekoly miisa 12 sy toera-pitsaboana miisa 5, manerana ny distrika Avaradrano, ho « sakizan’ny rano fanadiovana sy fidiovana ».

« Ireo sekoly sy toera-pitsaboana fototra nahafeno ny fepetra amin’ireo foto-drafitr’asa fanadiovana sy fidiovana ka mendrika sy manaraka ny fenitra no notolorana izany mari-pankasitrahana izany. Hisaorana ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanomezan-tanana tamin’ny tetikasa, na teo amin’ny lafin’ny ara-bola izany na ny ara-pitaovana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe eo amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny kaominina ny hetsika tahaka izao, indrindra ny eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, izay tsy tokony ataon’ny tomponandraikitra ambanin-javatra satria ny vahoaka salama no afaka mampandroso » hoy i Tiana, mponina ao Anaosy Avaratra.

Nitarika izany lanona izany teny an- toerana moa ny solo-tena avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, notronon’ny avy amin’ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ireo rantsa-mangaika rehetra misehatra amin’ny fahasalamana ato anatin’ny distrika Avaradrano ary ireo fikambanana isan-tsokajiny misehatra amin’ny fidiovana sy fanadiovana.

Manitra R.

Laisser un commentaire