ActualitésTsidika

Tapaka ny lalana mihazo an’i Mahamasina ny andron’ny 02 sy 04 Septambra.

Niteraka savorovoro ho an’ireo mpanara-baovao teto amin’ny tambazotran-tserasera facebook sy ny haino aman-jery ny mikasika ny fandaminana fitokanana ny Kianja Barea eny Mahamasina. Ny 29 Aogositra lasa teo mantsy no vinavinaina fa saika hitokanana izany Kianja izany. Nisy anefa ny fanambarana fa ahemotra ny Alakamisy 02 Septambra ny fitokanana noho ny fandaminanana maro samy hafa koa saika hatambatra amin’io andro iray io ny lanonam-pitokanana ary ho faranana amin’ny lalao izay hiaonan’ny ekipam-pirenena Barea sy ny ekipan’ny Benin. Taorian’ny fandaminana farany izay nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny no nanapahana fa ny 02 septambra no anaovana ny fifanandrinana eo amin’ny ekipa roa tonta ary ny 04 septambra kosa ny lanonam-panokafana.

Manoloana izany fandaminana vaovao izany no namoahan’ny teo anivon’ny kaominina an’Antananarivo ny fanamafisana milaza fa « ho tapaka ny lalana mihazo sy ireo lalana manodidina an’i Mahamasina ny Alakamisy 02 Septambra sy ny Asabotsy 04 Septambra. Tsy hisy arak’izany ny tsenan’Alakamisy ary tsy misokatra ireo mpivarotra manodidina ny kianja amin’ireo daty voatondro ireo » raha ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra. Misy ihany koa arak’izany ny fihovan’ny lalana ho an’ireo fiara tsy maintsy hiazo an’i Mahamasina, Araka izany, ny fiara rehetra avy any Tsimbazaza dia tsy maintsy mandray rue Andriamanantena Georges (Gendarmerie Fiadanana) ary hidina any Soanierana (Ex Descour) hihazo an’Analakely na 67ha. Ny fiara avy any Analakely dia tsy maintsy mihazo ny araben’i Titsy mankany Anosy. Ireo fiara avy any Anosibe sy Ankadimbahoaka dia tsy maintsy mandalo ny lalana Ranaivo Jules (Tribunal Anosy), ireo fiara avy any Ampefiloha sy Isotry handeha hihazo an’Ambohidahy dia tsy maintsy mamakivaky ny lalana Titsy. Manaraka ireo fepetra ireo dia ho foana ny fiantsonan’ny bus ao Mahamasina sy manoloana ny tobin’ny polisy ny andron’ny 2 sy 4 septambra. Toy izany koa ny fijanonana manoloana ny Farihin’Anosy sy ny tsena voninkazo taloha. Manarak’izany, ny zotra taxibe miainga avy any Tsimbazaza mankany Analakely (015, 017,115,127,128,153,184) dia tsy maintsy mandray rue Georges Andriamanantena (Gendarmerie Fiadanana), miainga ao Soanierana (Ex Descour), maka Rue Ranaivo Jules (Tribunal Anosy) ary mandalo Ambohidahy. Ny zotra taxbe izay miantsona manoloana ny Polisy Mahamasina (119, 143, 146, 147, 178, 193) dia tsy maintsy mandray Rue Rivoivo Jules ary mihazo ny lalana Titsy (Anciens Combattants) mankany Ambohidahy.

Ny zotra 134 sy 190 izay miakatra any Andohalo dia handray ny lalana mahazatra, izay tsy maintsy hijanona ao Andohalo anefa.

« Ny andron’ny 02 Septambra, alohan’ny ihatombohan’ny lalao izay hifanandrinan’ny ekipa roa tonta dia hisy ny lanonam-pitokanana ara-panjaka ny Kianja Barea, ny andron’ny 04 Septambra kosa no lanonana fitokanana ara-pomba ofisialy » raha ny voalazan’ireo tompon’andraikitra misahana ny lanonam-pitokanana.

Hita fa niova hendrika tanteraka ny ivelany sy ny manodidina ary ny ao anatin’izany kianja izany, ary ho afa-po tanterka ireo mpankafy fanatanjahan-tena. Hantenaina fa ho tanterahina tanteraka ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ity hetsika roa goavana ity ary hanaraka antsakany sy an-davany ireo toro-marika ihany koa ny mpanatrika.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire