ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Misy ny fanadihadiana isan-tokantrano mahakasika ny fitantanana sy fifehezana ny rano

Misy ny tetik’asa mahakasika ny fitantanana sy ny fifehezana ny ranon’orana sy ny rano maloto ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ao anatin’ny fanatanterahana izany, dia misy ny fanadihadiana atao isan-tokantano, araka ny voalaza.

« Ny 15 ka hatramin’ny 20 aprily no handalo eny amin’ny tokantrano tsirairay eny ireo mpanao fanadihadiana, hanao ny fandalinana ara-tsosialy mahakasika ny rafim-pitantanana sy fifehezana ny ranon’orana sy ny rano maloto » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Ao anatin’ny fanatanterahana izany, dia entanina ny rehetra mba handray sy hanome valin-teny mazava sy marina ny mpanao fanadihadiana. Izany dia ahafahana manatsara ny vokatry ny fandalinana » hoy hatrany ny fanazavana.

Miankina tanteraka amin’ny valim-panontaniana omen’ny tsirairay moa no ahafahana mamoaka ny drafi-pitantanana sy ny fifehezana ny ranon’orana sy ny rano maloto ao an-toerana.

Laisser un commentaire