France : Mpitaiza zaza iray no tratra nanao herisetra tamin’ny zaza vao telo herinandro
Mpivady iray no nitady olona hitaiza ny zanany telo herinandro ny fiandohan’ny volana jolay teo. Nahita vehivavy 68 taona izy ireo saingy fotoana vitsiy taorian’ny nahatongavan’io vehivavy io dia nanomboka nahitana mangana ny vatan’ilay zazakely. Manoloana izany dia niahiahy ilay mpitaiza ireo ray aman-dreny ka nametraka fakantsary tao an’efitr’ilay zaza.
Hita tamin’izany fa nanao herisetra ara-batana tamin’io zaza vao telo herinandro monja io ilay vehivavy. Nametraka fitoriana izy ireo noho izany ary andro vitsy taorian’izany dia fianakaviana iray ihany koa no nitory io vehivavy io izay nanao herisetra ara-batana tamin’ny zanak’izy ireo dimy volana.
Manoloana ny tranga dia nosamborina ilay mpitaiza zaza saingy efa nivoaka rehefa voaloha ny lamandiny. Tsy mahazo manao ny asany na asa mifandray amin’ny ankizy intsony kosa ny tenany. Amin’ny volana janoary izao no hotontosaina ny fitsarana io vehivavy io.
