Maurice : I Frédéric Bontems no ambasadoran’i France vaovao ao Maurice
Nahazo ambasadoran’i France vaovao ny nosy Maurice. I Frédéric Bontems izay iraka manokana tao Sahel taloha ary efa ambasadoran’i France tao Ethiopie ihany koa no voatendry tamin’izany Manolo toerana an’i Florence Caussé-Tissier izay niasa nandritra ny telo taona tao Port-Louis ny tenany. Marihana efa natolon’ity farany ny filohan’i Maurice, Pradeep Roopun ny herinandro lasany «lettres de créances ».
Manana mari-pahazaina « maîtrise en droit public » i Frédéric Bontems. Nahazo diploma tao amin’ny « Sciences Po et énarque » ihany kosa ny tenany ary efa nitantana iraka ara-jeografika ho an’i Bénin, Togo, Haïti ary ny Antilles. Efa lehiben’ny biraon’ny haino aman-jery tao amin’ny minisiteran’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ihany koa izy. Efa tompon’andraikitry ny ministeran’i Europe sy ny raharaham-bahiny ihany koa i Frédéric Bontems talohan’ny naha inspektera jeneralin’ny raharaha sosialy azy.
Taorian’izany nalefa niasa tamin’ny firenena maro izy ary manana traikefa feno.
