Mahajanga: nifampisisihana ny fakanesana teny Katsepy
Toy ny mahazatra rehefa vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra tahaka izao dia anisany be mpitsidika sy be mpisafidy i Mahajanga. Tamin’ity taona ity dia nifanindry an-dalana tamin’ny fialan-tsasatra ny fitokanana ny seranan-tsambo vaovao ao an-toerana. Ny faran’ny herinadro lasa teo no natao ny fitokanana ka natao maimaim-poana ny fitanterana amin’ny baka makany Katsepy. Noho ity tolotra ity dia nifanitra-kitro ireo olona teny amin’ny seranan-tsambo andeha baka ho eny Katsepy .
“ Manararaotra kely ny fandalovana eto Mahajanga dia hitondra ny ankizy ho eny Katsepy. Nisafidy ny andro anio ihany koa satria amin’izao no tsy andoavam-bola ny fitanterana amin’ny baka. ka manena ny fandaniana.” Hoy i Suzanne renim-pianakaviana mpiala sasatra.
“ Vita soa aman-tsara ny seranan-tsambo vaovao eto Mahajanga mihazo an’i Katsepy. Ho fanomezana fahafaham-po antsika rehetra dia natao maimaim-poana aloha ny fitanterana ireo izay maniry ny ho eny Katsepy amin’izao. Mahavelom-bolo ihany koa ny fahitana ireo olona tonga maro be satria tsapa fa mahaliana azy ireo ny fitsidihana iny toerana iny.” Hoy ny tompon’andraikitry ny seranana.
Fotom-pialan-tsasatra tokoa ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. noho izany dia samy mamonjy izay toerana hanatanterahana ny fialan-tsasatra avokoa ny isam-pianakaviana araka ny fahefana eo am-pelan-tanana. Raha eto Madagasikara dia maro ireo toerana tsara tsidihana fa amin’ny akapobeny dia misafidy ny moron-tsiraka ny akamaroan’ireo mpiala sasatra indrindra ny avy eto ampovvoan-tany.
Miranto Andriharisoa
