ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahazo jiro enti-manaza ny tanàna ny fokontany Betafo

Nisy ny fizarana jiro cobra miisa 13 ho an’ny fokontany Betafo, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny alarobia lasa teo. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny mpandraharaha ary ny orinasa jirama no nisian’izany, raha ny voalaza.

« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanatanterahana ny hetsika sy ny asa fanakaikaizana ny vahoaka indrindra ny famaliana ireo hetaheta eny ifotony. Natolotra izao jiro izao mba hanome hazavana ny tanàna, indrindra hialana amin’ny tsy fandriampahalemana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Hisaorana be dia be ireo tomponandraikitra tokoa ny amin’izao fanomezana izao fa tena niova ny tanàna, nahazo hazavana. Izao ihany koa no hanentanana ny vahoaka mba samy ho sarotiny sy hanaja izao fananana iombonana izao » hoy i Nosy, mponina ao Ambohimangakely.

Nandray ireo jiro moa ny sefo fokontany niaraka tamin’ireo mponina tao an-toerana. Taratry ny filaminana ny hazavana. Mbola hiampy sy hanolotra jiro EP Solaire ho fanampin’ireo efa nozaraina ireo moa ny ben’ny tanàna ao an-toerana raha ny voalaza hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire