Belgique : Ozinina Ferrero iray no nakatona rehefa nahitana « salmonelle »
Ny « salmonelle » dia bakteria mety handoto (contaminer) ny sakafo sasantsasany voahaja ny fitsipika momba ny fahadiovana. Orinasa mpamokatra iray ny vondrona Ferrero tao Arlon ao Belgique no nahita io bakteria io ka nakatona avy hatrany. Raha ny fanazavana dia lavitry ny zotra famokarana no nahita ilay bakteria ary natao ny fitiliana teo amin’izany fa tsy mbola nahitana ilay « salmonelle ».
Noho ny efa nahatafiditra io bakteria io tao amin’ny ozinina nefa dia nanapa-kevitra ireo tompon’andraikitra fa tsy misy mahazo mivoaka ny ozinina ireo vokatra mandra-paha vitan’ny fanadiovana sy ny famonoana ny bakteria. Nanamafy ny Ferrero fa tsy misy ny famerenana ny vokatra na « rappel de produit » ary efa tompon’andraikitra momba ny fiarovana ara-tsakafo izy ireo.
Iray volana eo kosa ny faharetan’ny fikatonan’ny ozinina raha ny tatitra. Raha tsiahivina dia efa tojo io tranga io ny Ferrero tamin’ny taona lasa tao France sy Royaume-Uni. Marihana fa ny « salmonellose » dia mety mitarika aretim-pivalanana, aretin-kibo goavana, tazo sy fandoavana ary mety mitarika hatramin’ny fahafatesana.
