Onivesiten’i Mahajanga : Ho atsangana ny tetikasa Haino
Tanora 4 mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana fanaovan-gazety, siansa politika ary lalanà ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no mivondrona ao amin’ny ekipan’ny « Peace For U ». Ity ekipa ity no namolavola ary hanatanteraka ny tetikasa Haino. Tetikasa izay manana tanjona ny hametraka ivon-toerana natao handraisana sy hiainoana ary hanomezana toro-hevitra ireo izay iharan’ny herisetra ao anatin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ny tompon’ny tetikasa, ny solontenan’ny mpitatana ao amin’ny Oniversite, ary ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversite no hiara hisalaha hitantana ity tetikasa ity.
« Ny tetikasa Haino dia hampita any amin’ireo mpanaramaso rezionaly ny zon’olombelona ary koa hitatitra any amin’ireo manam-pahefana tompon’andraikitra ny amin’ireo endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona miseho ato amin’ny Oniversite » hoy ny mpitantana ny tetikasa.
« Ny tetikasa Haino dia handray anjara amin’ny fampanajana ny zon’ny mpianatra. Ho anay dia manana tanjona izahay ny hanova ny fomba fiaina sy fisainana, hiaro ireo mpianatra mba hanana filaminan-tsaina ary koa hiady ny hisain’ny fitovian-jo ety amin’ny Anjerimanontolo. Hiady ihany koa izahay ho an’ny fanavakavahana isan-karazany, ny kolikoly sy ny fanararotam-pahefana ary koa hanatsara ny firaisan-kinan’ny samy mpianatra » hoy ny mpanorina ny tetikasa.
« Tena ilaina ary tokony hisy toy itony daholo ny Oniversite rehetra. Ety koa mantsy no tena ahitana endrika herisetra maro. Ao ireo miaina herisetra ara-pirazanana, ara-pananahana, ara-moraly ary misy mihitsy ara-batana » hoy I Juade, mpianatra.
Isan’ny antony maha olona ny olona iray ny fisitrahany ny zony tsy misy sakantsakana sy fanointoinana ka izay no antony hanohanana ny tetikasa tahaka itony. Ny herisetra ihany koa dia midika ho fanitsakitsahana ny zo ananan’ny olona iray ary raha tiana ho arovana amin’ny herisetra ny olona iray dia ny zony no omena azy.
Miranto Andrih
