ActualitésTsidika

Faritanin’i Toamasina : Hampiroboroana ny toe-karena sy ny fampiasana vola any an-toerana

Tany Toamasina indray no nifamotoan’ny mpahay toe-karena sy ny mpampandroso firenena, niaraka nikaon-doha nandritra ny Busines Forum Régionaux tamin’ity taona ity. Niara-dalana tamin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana ny EDBM nandritra izany fihaonambe izany. Nilohahevitra hoe: « Ny fisondrotana ara-toekarena isam-paritra : Fanamorana ny fampiasam-bola manoloana ny fanambin’ny indostrian’i Madagasikara » izany fotoana lehibe izany.

« Nomena lanja manokana ireo faritra ireo nandritra ny fihaonana sy ny fikaonan-doha. Fotoana iray hikarohana lalana sy vahaolana entina hanandratana ny toe-karena amin’ireo faritra ireo no natao nandritra ny fotoana rehetra. Nentina ihany koa hamahana ireo olana manakana ny fampiasam-bola ao amin’ny faritra izany fotoana izany », hoy ny avy ao amin’ny EDBM, mpikarakara.

« Manan-karena sehatra ahafahana mampiakatra ny toe-karena eto Madagasikara sy ao anatin’ny faritra ireo faritra telo ireo. Nisy anefa ireo olana sasany mahatonga ny lesoka ka izany indirndra no novahaina nandritra ny fikaonan-doha sy ny fihaonana rehetra. Samy mahatsapa fa misy ny azo trandrahina saingy ny fanalana ireo vato misakana aloha no tokony hamafisina voalohany », hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara.

Tsy misy fampivoarana azo atao raha tsy omena alalana sy lalana ny faritra tsirairay, hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Heverina fa hisy vokatra nitsangana matotra nandritra iny fihaonana iny izay hivoaka tsikelikely amin’ny tontolon’ny Malagasy rehetra. Mbola malalaka ny lalana hahafahana mampiasa vola sy miasa any amin’ireo faritra telo ireo rah any fanambaran’ireo tompon’andraikitra. Fizahantany, fambolena, jono, kolontsaina… sy ny maro hafa mbola azo trandrahana hatrany izany. Mifanaraka amin’izany kosa anefa dia ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny eo an-toerana hahafahana mahazo vokatra tsara, indrindra ho an’ny vahoaka ihany koa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire