Etats-Unis : Lehilahy 3 no voaheloka higadra mandra-pahafaty noho ny famonoana an’i XXXTentacion
Mpihira mivohy gadona RAP i Jahseh Dwayne Ricardo Onfroy fantatra amin’ny anarana hoe XXXTentacion. Maty voatifitra teo amin’ny faha-20 taonany tao Deerfield Beach, Floride izy ny 18 jona 2018.
Lehilahy telo antsoina hoe Dedrick Williams, 26 taona, Trayvon Newsome, 24 taona, ary Michael Boatwright, 28 taona kosa no voaheloka higadra mandra-pahafaty tao amin’ny tribonaly tao Fort Lauderdale, Floride ny faran’ny volana martsa teo noho ny famonoana azy. Raha ny fanazavana dia efa nomanin’ireto farany ny famonoana an’io mpihira io.
Nivoaka ny fiara nakana an’i XXXTentacion ny roa tamin’ireo tovolahy ireo ary i Michael Boatwright kosa no nitifitra azy raha ny fanamafisana. Nisy lehilahy itay hafa antsoina hoe Robert Allen, 26 ans kosa naman’ireo nahavanon-doza ireo saingy nisafidy ny nijoro vavolombelona sy niaiky heloka izy ka nanamaivana ny saziny izany.
